Asa 9: 10-22

Andininy
Protestanta Malagasy
10
Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BA699A9-5BBD-4F9B-9C55-BFDADB362264
11
Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny làlana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy ny Tarsosy; fa, indro efa mivavaka izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5E2F08E-57E4-49B5-88DD-5E8C2B529440
12
ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tànana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C76E20F0-CA94-4DCB-99D4-D24528EEB4B2
13
Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AD4ED27-B8E8-48DF-B9A1-05291E895101
14
Ary manana fahefana aty koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67273A87-AF30-4350-99C3-3B53AECFB8CE
15
Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'Isiraely;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9DBF2E0-A09B-45B1-8695-9995290FEEAD
16
fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4D17E4B-DC9C-45B5-A79A-762EAF89DB3F
17
Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tànana taminy ka nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny làlana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno no Fanahy Masina hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAFC7CE8-F4B9-4E21-AFCB-D35269C12E5B
18
Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D1943F2-5200-4266-80A0-9615DE30F852
19
ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|255E45A9-837A-46A9-BE82-64C3A5B7BC9A
20
Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EC45DCB-7B7A-49C9-9A38-E391FEE6A7D4
21
Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tonga aty koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7187F12B-9AC7-4730-9ED8-7BE11DE632A9
22
Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1A84392-BD29-4929-B4A1-6DD9207904F4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany