Romana 1: 16-32

Andininy
Protestanta Malagasy
16
Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E439918F-42D0-4493-AD76-D09DDADFE150
17
Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona (Hab. 2. 4).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E37A931-826E-419E-BE1E-FCB9ED308C56
18
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A2217CF-1DB0-4E2D-AA0A-D06B9BFEACBC
19
satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC494E0A-B61F-4842-A018-E0F8E8145021
20
Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|284A6EF6-8668-42C4-BAC4-D64836A70305
21
fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|719438AF-416E-4539-A3D4-4348B54131AD
22
Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C2FFF77-E76B-4AD2-AE44-A79BA8150C02
23
koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lo sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BA5BABD-5EDE-4FC9-9449-97AAD1D48222
24
Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|377EF316-8396-4F54-ADBE-4BC4938D79BC
25
ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82102CE3-A2C0-4D15-9729-08C97528951A
26
Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'ny tsy fanaony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA311FE7-658F-4A7C-99C6-A5EFB5B49052
27
ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD946FDD-DDC8-43B1-8B6C-CFC69575563C
28
Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2113722-8D9E-4527-9E59-375282AE430E
29
ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo, feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otripo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5F278CA-0F1D-42D2-8403-463E2382BAF8
30
mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9641BB28-D038-4E85-9968-81B9D8DD833D
31
tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDCBD816-00B4-4ED5-B481-EEE86EC79D6E
32
dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|139B8BEE-D012-4600-A3BF-2F6A06ADC790
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany