Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raiso ny malemy fianoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D21E1D2A-55A8-480E-B4FC-28E5FDCB40A7
2
Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zavamaniry ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C93D1CFC-70CC-47C3-86D1-2D4760ABD348
3
Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|329AA6FA-4AA1-42D0-BD2A-71973542AE76
4
Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampotoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C486D81F-3610-4EDD-914C-9C8B8B0BD13F
5
Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1767BBF9-CA9C-4283-92FD-BB06786A3EC1
6
Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0BD06F3-C20D-40E5-8D58-DFE8A76D6DE6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany