Andininy
Protestanta Malagasy
1
Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|275E88C9-DBA7-479B-AAF4-523FD36D3522
2
Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy reharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF6547E-634E-4D14-B3A2-12130C55ABC6
3
Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16AE2DC8-ABE4-4144-8DB6-E8F2567DFE07
4
Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4E8F7A7-250B-4B78-A076-B82302F0CB9A
5
Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44A3E4D1-A8C9-4417-97C7-DE3898736917
6
Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa hoe!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|974DD621-C980-4D34-AE33-CA80922F4163
7
"Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7C1F9DA-D7FA-4063-A970-5BA5FF1BA638
8
Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka" (Sal. 32 1,2).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96B5448D-2C49-4FDD-8B9D-37D45B7EC108
9
Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D951032-9B87-4410-8A68-5051591550DA
10
Ary ahoana no nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E25FAD75-DF2A-4E9D-8D36-5566355AB602
11
Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70F21FE2-0377-4155-9E1D-1A0D04441E4A
12
ary ho rain'ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0DF33C4-80A2-4121-8C33-0801CC77ED2C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany