Andininy
Protestanta Malagasy
7
Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05DD53C4-95B4-4F86-9CAB-E4B37BDF2FCA
8
Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D81E80F-6C35-494D-B00B-1571351F1E7D
9
Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C739DA96-6FCC-4E49-9AC8-9304B5282BEA
10
Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35674984-0116-48CA-AC37-0780BDDD94EB
11
Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F00333D0-D7BD-47CD-A232-200A04FEABA2
12
Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D23C8B0-7891-4904-93CD-9BE9C3CFD69D
13
Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37DB7AFF-7450-4650-87BB-B204E48FD078
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany