Andininy
Protestanta Malagasy
1
Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin'ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60376BFA-98B4-4637-BEE5-390202CC92A1
2
fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian'ny foko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D3F44DA-5369-4EA5-AED2-42A2B7DC5F44
3
Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin'i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako ara-nofo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88C340D1-1260-4C95-A928-5642DA49D964
4
izay Isiraelita sady manana ny fananganan-anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84776E14-E351-4C26-8800-7EB831E4EF6E
5
azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin'izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6E18EB7-1A04-4ED3-B9FE-F01C10854A09
6
Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin'Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin'ny Isiraely no Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED066153-8DF2-480E-995A-27A6CFDBB46F
7
Ary na dia taranak'i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao(Gen. 21. 12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|410A2419-8823-4C3A-B908-B10D024413D1
8
Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0964D934-BA4E-4C5C-BD17-E9CB59C28B53
9
Fa izao no filàzan'ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5A801FC-5B62-465A-95CE-07E5C03D4032
10
Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan-anaka tamin'ny anankiray, dia tamin'Isaka razantsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E306E774-92E0-4D98-8403-C99619B18DC0
11
fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy amin'Izay miantso),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3396C0CF-FD34-4F6D-9196-A044C09617C9
12
dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny (Gen. 25. 23);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC810C43-6BBB-463F-B1AD-13F0F161831F
13
araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1.2, 3).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41B3C37A-8381-4390-850F-1414040C7D4B
14
Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E87C5A23-07C0-4B4C-A53D-5A2B45E4F32A
15
Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo (Eks. 33. 19).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD4304EA-E84F-4A69-B5C7-C125F86B83AA
16
Koa dia tsy avy amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra Izay miantra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E84885E-37AA-4602-B8C2-38262A4BA85D
17
Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra (Eks. 9. 16).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9020EFBE-1797-4134-9A80-C9AC173D8E74
18
Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo ny hamafìny fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AEC52E2-CB7A-48E6-88BF-63A64B314276
19
Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE4564C5-51DB-42DD-AE0F-BDBF836F5F04
20
Tsia, ralehilahy, fa iza moa hianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2199DE16-A9A1-4539-9B1F-1A3E5A9E5D29
21
Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D53DBFB4-D11C-450C-8D54-5E5F588FF3C2
22
Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbaina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28BCCA5C-F39B-40E8-B76A-AC1C9D1B5C9A
23
mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny fampndrampo, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93FDFC5A-7CED-45F8-8034-FBA56BE2947B
24
dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D6D27C1-85CD-4805-8F7E-76F2AF95373B
25
araka izay lazainy eo amin'ny Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A6E9321-D6FF-43D9-ACEF-74D54CCE99B4
26
Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko hianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54C36C1A-CBAB-4DBD-A5DF-2F230C1701AB
27
Ary Isaia nilaza ny amin'ny Isiraely hoe: "Na dia toy ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Zanak'Isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58D16434-42B5-4C41-8426-6B4E8A432F0B
28
fa amin'ny fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany" (Isa. 10. 22, 23);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEB0C914-97C9-4464-9FEB-9C0D97DE5EC2
29
ary araka izay nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika (Isa. 1. 9).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|691A0E42-FA72-42E7-9409-8DFD4DCD0207
30
Ahoana ary no holazaintsika? Ny jenitlisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin'ny finoana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A7DD6C0-BE37-4200-A772-573EAA2EB490
31
fa ny Isiraely, izay nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|130F2C7B-F596-4CAF-9194-EB562261E4DD
32
Nahoana moa? Satria tsy tamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa, ka tafintohina tamin'ny vato mahatafintohina izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|505D4CD9-D88D-4CF5-8D44-E1D5356B8311
33
araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C46D326-F4D2-4A4F-B155-8FD74E790029
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany