IKorintiana 1: 10-17

Andininy
Protestanta Malagasy
10
Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|624DE8D6-75CC-4E8A-AA8A-273507FB8971
11
Fa efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42590536-DE96-41CC-B6E5-88E76AEBB194
12
Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96D08E5E-FC7F-4739-A5A0-280B1BFEE72D
13
Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8CAE4A9-0B9F-49ED-B0CF-9FD5E2F266BB
14
Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa hianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E33BD1A-77C4-441D-AC3D-A397F0AE730B
15
fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E31E5F3-8C8B-4707-8034-AFF6195F9BFC
16
Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58410D8B-4C09-4AFA-979D-6E47C42A8A4B
17
Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38DFD999-D3E8-4042-BDA7-99D6CC190D5C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany