Andininy Protestanta Malagasy 1 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD98D679-3823-4A6B-99C1-839D3CB98D1B 2 ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|092BBB73-CDF5-46D3-8D8F-EEA3E31DC360 3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54B02DFD-141F-48DB-81CF-90115E7A35D4 4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D98DEA5A-2B69-4BB9-8B01-4E47E1B6CEF5 5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|827E4918-342E-4956-9CC6-401812CBD1EE 6 Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A57F895-0BA3-48DD-8A9C-59CD91E82AA0 7 Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao (Eks 32:6) . qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B036CDE-F79B-4B74-833C-8F0D780AC40F 8 Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CFDBAD6-07A8-49E6-9245-D27AED718BAE 9 Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBCBE5A7-EBF3-43D7-A271-0E7702854FC1 10 Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86FAA8BA-5433-45F9-9DE7-B25DD593074E 11 Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF84D8FB-CA69-40C8-9646-CE72F86A28DC 12 Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A660B8A-2168-4395-9294-DA0BF169E991 13 Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|614FC3C7-0CD0-4EB7-B896-E56CAA8B18CE 14 Koa amin'izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6EDB32E-7054-4D17-BD44-816CAB470732 15 Miteny toy ny amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF0E0CCA-287A-4283-9851-BDF0951262CF 16 Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin' ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin' ny tenan'i Kristy va izany? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F2CD1C4-133B-45A9-BFFC-774C7097E920 17 Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C13F793A-925F-4645-89A6-5C5D6173AFA6 18 Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82CEDB6E-6BC8-4C9E-ADD9-12F6E799F0BF 19 Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F4FB081-8A8A-46D1-945E-35D01C77DC35 20 Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia aterina amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo 32:17) ; koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9088E67F-9D89-43F7-B83E-6178D28B558B 21 Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACF34D77-12A9-4B54-98C5-ADDC19B2667E 22 Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CD5B30F-4A10-4E54-9689-E752A5936186 23 Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa, ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4312BEB6-A7C2-49AD-AC3E-8E9EEB77F447 24 Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A45F59C9-6B2D-4565-B333-34A8DCF9914C 25 Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0349909B-C23D-42B2-A781-81C115319124 26 fa an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal 24:1) . qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|116AD5D0-0970-480F-AACF-12B3029C71D9 27 Ary raha misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha hianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCD12E49-0F2D-41A2-BD0A-B2867D774422 28 Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A0D9B8D-ABB0-4892-AE07-0F9384E72C44 29 Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an'ny tenanao, fa ny an'ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain'ny fieritreretan'ny olon-kafa? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1370CFCF-5CD6-4C11-9385-2519B5092D92 30 Fa raha amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay anaovako fisaorana? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABAF1B4D-8DF7-43AD-BA4C-559379DE87E5 31 Koa amin'izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA2A9AD4-9E44-4A04-A735-BFE76B32AD25 32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan' Andriamanitra, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45FE2FA9-1737-4543-B42D-0E6FEBCA0627 33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6576FF8C-957B-47CF-A4EC-38EC67730E5B
|