Andininy
Protestanta Malagasy
1
Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AFD5A95-0B89-4DF4-9F48-4C8282C6E197
2
Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64F68593-F851-46CB-BF2E-D1AAF89460D5
3
fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA9C3B67-D3E8-4D13-9E62-B771964DFD0B
4
Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5184172-5FAA-4B0F-897A-5E3F4D68E0DE
5
Tiako raha samy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra hianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonana fampandrosoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D95AC36E-9FE7-4C13-91D0-B401BB434AD5
6
Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BB4E1F6-7699-458A-9732-0EB42CE1FA27
7
Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EE68283-F114-449B-A70B-519E346405B4
8
Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B54C3AC2-6D86-4E50-9599-CF4A2C7996AF
9
Dia toy izany koa hianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|291D2954-EF7B-4D95-A757-0BD26CC61B65
10
Misy fiteny maro samy hafa amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15C5ABCB-723C-49AD-929E-42C83305D4F3
11
Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6821CEB-6D99-4301-AB5D-F54F3BA2256A
12
Ary toy izany ihany koa hianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88C325AA-3B32-4BE7-A1EE-67CF0F458527
13
Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B59A964F-111D-4136-90D7-6F1AB0910B09
14
Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D91F45E3-E8F2-463B-BADA-3BB413B11627
15
Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E714E39-91CD-4F33-8263-302BA3034D62
16
Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany hianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao 'Amena' raha misaotra hianao? Satria tsy mahalala izay lazainao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AEB6E37-E0B1-45E9-B026-0BC509D66921
17
Fa hianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|583FD623-8E77-4AEF-8839-9C11E117523A
18
Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho hianareo rehetra aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0513ABA-98D7-440A-B3BF-6B296CEB5CDF
19
nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66AABBD5-E8E7-40D8-8CB4-1B3790F82392
20
Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin'ny fahalalana: raha amin'ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBCC9C95-3E5D-4C05-987A-429D69B04830
21
Voasoratra amin'ny lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah (Isaia 28:11-12) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54EBC3DF-4640-42D9-B977-58FAF69E1B01
22
Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino fa tsy amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57C6A5EE-63FF-4D10-BE14-0D7499F43BD9
23
Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B4E8819-4EC3-44F8-9CFC-2DDA555609D3
24
Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FAF3E55-AA48-4958-99D0-CA1401A67C3C
25
ka dia miseho ny zavatrra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F8C8B6E-A8AD-4BFC-8ECB-AC8B3197C4CD
26
Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona hianareo, misy ta-hanao hira hianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E821839-8E45-4A9B-A676-AF267979AA06
27
Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F54D4A62-E6E7-4958-B191-E5DCC8A68B2C
28
Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin'ny fiangonana; fa aoka hiteny amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82B6F929-7F57-4447-A748-D1B85F0E9F8E
29
Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1DD2734-843B-42C0-92FB-3BEF7311B034
30
Fa raha misy tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94AC9ED1-F822-4799-8614-4C65C63DCCDB
31
fa mahazo maminany tsirairay hianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|018B24EB-CAF9-412D-AB60-B0B4CCF426EE
32
ary ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C3EA47A-71CA-42AA-9457-11C77A33E457
33
Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotranana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan' ny olona masina rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|524C871C-BFF1-4335-A9E0-B3A011C94D78
34
dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny lalàna koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5D2AE1E-AE92-4051-9C27-F728F276DBCC
35
Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|688BD49F-836F-4231-B2D6-8022DCDE86CE
36
Ary aminareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1252A6FC-C555-494B-9E97-49FC46753A2E
37
Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF5C953A-685C-4703-B7E1-AEC7BAD26BE4
38
Fa raha misy tsy mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BFD602D-4091-4251-BB26-C26D398D4B4A
39
Koa amin'izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90D8208F-EC9A-4390-93CD-98BCC6167332
40
kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F96E57A-B95B-456B-982B-68F1F7A9DACD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany