Andininy
Protestanta Malagasy
51
Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D85132E4-40E0-4F7C-A622-906EFB329108
52
fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E48289E-DA03-4641-9133-F6E9D58E897A
53
Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AFC3A67-5E39-423A-92DD-2C1343712663
54
Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi -fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe:Ny fahafatesana noresena ka levona (Isaia 25:8) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17F594A8-5F37-4000-9664-7B3F52A5AA7D
55
"Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô aiza ny fanindronanao? (Hos 13:14).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C03915DF-A8CE-4E04-8F0F-E5E093CD5BC6
56
Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08691FAD-BFD7-4341-8871-66FDA76551DB
57
Fa isaorana anie Andriamanitra Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D7EAA3A-AFB0-4861-8099-AC94E21086C5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany