Andininy
Protestanta Malagasy
9
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1AC9CC4-3429-4354-A350-74EAA25D986C
10
sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|720D2293-B0D2-4066-90AB-A39895B91C1A
11
Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|960E656F-8D20-454C-A257-2FF4F77AB8A7
12
Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B376378-D263-4AE4-B7EF-2ECABEA06226
13
Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo, ary ny Tompo ho an'ny tena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52737C1B-7E52-42D9-9198-BC0DF139A6E9
14
Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin'ny heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEF6BA95-FC44-426B-A0FE-7E893A95FA5D
15
Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan'i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan'i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga? Sanatria izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|399ACED1-7DC4-4808-A8B2-B512C60CBBE8
16
Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga dia tena iray aminy? Fa hoy Andriamanitra:Ho nofo iray ihany izy roroa (Gen 2:24) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1930B55-E83E-4B26-A4A3-3781371E331A
17
Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74FFF899-6050-44C9-9030-D8E2AD43AD82
18
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED37F4FA-5C3B-4213-B4C7-A786931A1E11
19
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03F5EF83-4095-4685-89E4-7371EC80EB9F
20
Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C5AE853-D7B0-4726-8212-AEE519F4C96C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany