Andininy
Protestanta Malagasy
7
Iza no mandeha manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany? Iza no manao tanimboaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman-osy ka tsy mihinana ny rononony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39898942-BB80-4811-B826-4E51F7F33973
8
Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46C24D24-CF83-44D5-A7DA-2C5AD08A49A0
9
Fa voasoratra eo amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary (Deo 25:4). Ny omby va no ahin'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA9E8668-A4DE-4FF6-A759-4F9A2B1D1661
10
Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin'ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin'ny fanantenana hahazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D13CA12-C245-42CE-A3E2-391CC5A6644A
11
Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88D49450-49ED-4050-B6CC-8E426544ABE6
12
Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B72596A1-311B-4BED-B4DE-A3A8BF70F67D
13
Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80C5694E-14C7-45DD-8F3A-87F8CC160539
14
Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F61CDD-EE3C-48E5-AE4B-631EEF838D3D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany