IIKorintiana 1: 1-24

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECC8D4A4-D30B-4A96-ABBE-E76FB44DDEB7
2
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33FA5DDE-E126-4D64-8956-25372DA34912
3
Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62DA9FBF-F716-410F-BB63-E7A02BAAE186
4
Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|779F3AFE-4ABB-48E6-A7EE-B4A0055BE684
5
Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32AFBEE8-BDB8-4E40-B536-C3386AF51A6A
6
Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9C75512-7832-400E-BC21-AD048330DC53
7
Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo; satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81E46A35-C0EC-4B13-BD1A-6879AF7B44F3
8
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48E5A48C-6C4F-4E69-B7CA-2C9E4E20368F
9
eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CBBD3F9-927D-44F0-A79E-E83ABF87C18E
10
Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|505726B3-1E93-4A00-B519-51F32393EE1E
11
satria hianareo koa miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7832B066-DAC5-4A91-8517-5C6643285A06
12
Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana sy ny fahadiavam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra no nitondranay tena teo amin'izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|295A70EF-F8A9-48BC-AFD5-D8A1E7EC8C05
13
Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9421B895-A455-488F-9A70-E2D5A078AA90
14
toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin'ny andron'i Jesosy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75C42042-1709-4DE6-B346-BD0F9DE466D1
15
Ary tamin'izao fahatokiana izao dia nikasa hankaty aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48B7EEEA-27B9-4C71-A147-CBCDF46A767F
16
ary hankany Makedonia aho, raha avy aty aminareo, ary dia vao hiverina ho aty aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D515A11F-F317-4C87-A6FE-5C04E3EF7D30
17
Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va mba hanaovako 'eny eny' foana, sy 'tsia tsia' foana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D818044C-61A3-4CC2-8953-46CF3DD6B268
18
Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy 'eny 'sy 'tsia';
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6281A952-4FB4-4F58-8B12-570716F3A627
19
fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy 'eny' sy 'tsia', fa ao aminy dia 'eny 'ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5115E504-A737-467A-BA97-FD80F74715F5
20
Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny 'eny ', ary amin'ny alalany koa ny 'Amena', ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|185B27AF-B67D-4002-A40D-E4C602101F51
21
Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C73CD4E4-0873-40B2-99C2-ADA2425061D8
22
Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ACDFBC3-F1DE-4CDB-A154-64F29FBAE8E6
23
Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialako nenina aminareo ihany no tsy mbola nakanesako taty Korinto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FCFB807-3E91-4B86-AF08-A4A919BDD331
24
Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D935F77-E882-4F40-80B8-F9979EA3A3DE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany