IIKorintiana 1: 3-11

Andininy
Protestanta Malagasy
3
Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62DA9FBF-F716-410F-BB63-E7A02BAAE186
4
Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|779F3AFE-4ABB-48E6-A7EE-B4A0055BE684
5
Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32AFBEE8-BDB8-4E40-B536-C3386AF51A6A
6
Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9C75512-7832-400E-BC21-AD048330DC53
7
Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo; satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81E46A35-C0EC-4B13-BD1A-6879AF7B44F3
8
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48E5A48C-6C4F-4E69-B7CA-2C9E4E20368F
9
eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CBBD3F9-927D-44F0-A79E-E83ABF87C18E
10
Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|505726B3-1E93-4A00-B519-51F32393EE1E
11
satria hianareo koa miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7832B066-DAC5-4A91-8517-5C6643285A06
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany