Andininy
Protestanta Malagasy
7
Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofo, irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41528FFE-25B4-4BE0-848A-EF5BB78C379C
8
Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BCC18E7-6D9D-48B0-87AB-B073D8DACB07
9
Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44A73FBB-3AE4-4F6D-8AFE-B65EFE41A757
10
Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB5B9A40-1C47-44FB-8643-7D27F97729CF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany