Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankaty aminareo indray amin'alahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC4D3D61-69E0-4B6E-888A-F3AA3B95B6E5
2
Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|603BD69E-5F85-4C69-8E3A-791FAC6961E7
3
Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin'izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8877401B-36FD-442D-9F64-EFF586E112D7
4
Fa tamin'ny haben'ny fahoriana sy ny alahelon'ny foko no nanoratako taminareo tamin'ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|829119C7-9292-497F-B830-6282DC0B109A
5
Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF750F45-B55C-4B17-9BCA-7114C35ED923
6
Ampy ho amin'izany olona izany ny fampijaliana nataon'ny maro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C75263D9-D0AD-440A-8A70-E7DEC776800E
7
ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa hianareo, fandrao dia resin' ny fitomboan'alahelo izany olona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4ED3034-4651-4495-AB7B-A944247635F2
8
Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin'ny fitiavana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|886119A8-0D18-4581-872E-F026E9B65A0A
9
Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin'ny zavatra rehetra hianareo, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AC564EB-2F8F-41AF-A4BA-2485B60AC3C4
10
Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason' i Kristy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FC4E99A-1FEE-4D8C-B0A6-2FDC114E9EA1
11
fandrao ho resin'ny fitak'i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|210B3C7E-E1E7-4F29-A62C-99F722EC43B9
12
Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran'i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin'ny Tompo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|936537B7-D28E-45AE-844C-BE37911973CD
13
dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an'i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28885A10-45B8-455D-A686-8B866DBDC369
14
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3FFB6C0-F464-4F6B-83EF-4EB58BB892DB
15
Fa hanitr'i Kristy ho an'Andriamanitra izahay amin'izay hovonjena sy izay ho very:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63602352-DA3C-437F-BA1B-D5EC45EF8972
16
amin'ny sasany dia hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana; fa amin'ny sasany kosa dia hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin'izany zavatra izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6594294A-60B7-4F89-ABD0-FC89A4391FC4
17
Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin'Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin'ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin'Andriamanitra sady eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36FE9F79-E1BA-449D-A5FE-CFB7A71DB473
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany