Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindrampo, dia tsy ketraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|571E616C-F411-49B4-BABE-6497C198D36A
2
Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D52CC4A6-8B04-4AC4-8666-C05177E9F4BF
3
Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36E9C7D2-EE37-423C-98E7-7DA13FF497D5
4
izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45B5D9B3-A246-4269-BD07-15A0C09FD6D2
5
Fa tsy ny tenanay no torinay, fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0230C2C-F5BD-4C67-A2D8-0FCDE6018FB3
6
Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin' ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3791393-B8F0-4A3D-8B95-325E73FABDFF
7
Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5F3F7D1-A9E3-4E9F-8B54-9EA45DB5B077
8
Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4585C3B5-3E0C-46E1-99D6-49ACBE5DBBBF
9
enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D9B2F16-A0F2-414A-AD97-190A937561C1
10
mitondra ny fahafatesan' i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|427CBB40-F269-49CA-8E17-8DA5E7D8AB3C
11
Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18967268-61F7-4A33-96A6-CA43EABA0F66
12
Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8E75054-FC74-4068-9A95-0B9F16FFBA19
13
Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal.116.10) dia mino koa izahay ka niteny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A8A631E-5C5C-4163-BCE6-AD38C408258C
14
fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka amin'i Jesosy ka hanolotra anay miaraka aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|511661C8-E21A-41DD-897B-98D96C1FADC9
15
Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F419300C-56F6-44AE-B1F6-C1D4DB2EAC9D
16
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|266791EB-53D2-4EA8-81F7-7758CBD5BE5D
17
Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A7C963E-85BF-4DD4-ADE5-8387FBEFEA69
18
raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19FDDEA6-5703-47D4-B4E4-E16776E50915
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany