Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan'Andriamanitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2477127C-E62E-47B5-8CFA-64A494B5B3D6
2
(fa hoy Izy: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko anao(Isa.49.8); indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4172E2BD-4365-47D0-A9B9-EFC855CDF1B7
3
fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin'inona na amin'inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3E17917-75F8-46CA-A2B4-9433E485C6CB
4
fa amin'ny zavatra rehetra dia nampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFA1AD9A-15FC-4274-A5E3-43F40AFAB2C2
5
amin'ny kapoka, amin'ny fatorana, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny tsy fahitan-tory, amin'ny fifadian-kanina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|744339F2-A4DC-4F42-9C37-193C1EBE1DA7
6
amin'ny fahadiovana, amin'ny fahalalana, amin'ny fahari-po, amin'ny fahamoram-panahy, amin'ny Fanahy Masina, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|300CE1EA-A537-4995-88F2-A720EE27401A
7
amin'ny teny fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8162DE00-4EFC-4BF7-BC3C-4B112A210119
8
amin'ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD2F64F2-E422-4219-B315-A055354420C2
9
tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35F636D6-BD49-4D6D-8E5F-656335715B09
10
tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9FB5A55-1708-4E57-AF66-994F94153327
11
Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0FBC8FC-8812-41E7-9753-0F01B8E7E75B
12
Tsy tery aminay hianareo, fa tery ao am-ponareo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1504B57-5640-4C0B-8C36-B9EE73701E54
13
Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin'ny zanako), dia mba mahalalaha kosa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5C890DA-BBE1-45A6-97DC-8430F5CBB8C4
14
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3488700C-F164-4650-A993-2F49CDCCA24A
15
Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|604861A6-07F2-4B47-A5B8-711EE69EB294
16
Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe:Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko (Lev.26.11.12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91CB15B4-1111-4D9B-BE50-DC56E2F297B6
17
Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy hoy Jehovah. Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha(Isa.52.11.12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D87EB71-5804-4D81-AA5E-1210EF2AC302
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany