Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ry Galatiana adala, iza no nanimba [namosavy] anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B94D2E-AFA6-4473-8F3A-866AE0776DF8
2
Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana? [fandrenesana amin'ny finoana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDDA83CB-5CF9-4EBC-99D3-5B888C4162FC
3
Adala toy izany va hianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy hianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32AD392F-054A-4B5C-9637-A51BED22FC0F
4
Moa mizany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB15A37E-AF52-4BBB-A987-9D76EC41897B
5
Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46E1B3F2-3569-4DE5-996A-E3EF90404366
6
Dia tahaka an'i Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D4EDC91-D4B8-4950-8DFF-17FD4B242E5F
7
Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6649F054-E0BB-43D3-83E2-6D62D45BDC97
8
Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E930F449-75FD-457A-B6FB-9E6AEC96B1D3
9
ka dia izay amin'ny finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|064E988E-7704-44EE-BB81-D5907BDA42A9
10
Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankato ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. (Deo. 27. 26).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49CA778F-A36E-4FB6-A5EB-716ECE81E0B0
11
Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona[ny marina ho velon'ny finoana](Hab. 2. 4). Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E089A61-1D05-4448-8E6B-2EA65E17FE18
12
Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8855E8D-F135-42F0-B030-6400948E9CC1
13
Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBD58260-1608-4614-BD97-D5C2496E8810
14
mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2E1275D-F595-47FA-819E-32DD7055BA4A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany