Andininy
Protestanta Malagasy
21
Milazà amiko, hianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9732D6FE-7DC1-495D-A243-9764B10482F5
22
fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D03EDE4D-CD1A-4F1F-962F-746EB9A930F4
23
Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE30268A-0EDF-46FA-AF8E-86CBA9B11C8E
24
Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37080E5D-A559-46BD-985A-9CB19830E9F8
25
Ary [Fa] ny hoe Hagara dia tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB170DE7-328F-42B4-8461-1AEADA5708FA
26
Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A6A49A0-1FBD-40F0-90F4-6C7A0270B656
27
Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, hianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manam-bady (Isa. 54. 1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|800B48EE-ED89-4F75-A822-281AA944CBB4
28
Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'Isaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98781AF2-7685-428D-9300-8207347796E1
29
Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0F30286-6726-49A3-AA40-4B2801E47048
30
Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevovavy io sy ny zanani-lahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C442122D-E9F5-4F52-A50B-DFD09E6AF736
31
Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6A6FFC4-96B0-457B-B69C-7FCB4F92DC6F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany