Efesiana 1: 3-14

Andininy
Protestanta Malagasy
3
Isaorana anie Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|465C0360-6BEB-4B05-86ED-1A5D537AF918
4
araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|324EA663-8CFC-43CC-A733-05080A6D01D7
5
rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan-anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A10E6D4A-475A-4662-AA54-C6C684BC7B2B
6
ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izany nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EDB5F80-E92D-4FA7-8267-3F42BCA41218
7
Izy no ananantsika fanavotrana amin'ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9B1E5BC-3146-411C-B850-5FA6D003ECBD
8
izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AFE88F9-FF45-4765-ACB8-EF47CABCB432
9
rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F65E1683-0F31-4F91-A1CC-858D6B18E021
10
hahatanteraka ny fitondrana hatao mandrapahatapitry ny andro voatendry, hanangonany [hanagonany indray] ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ety an-tany, dia ho ao aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F68E08B-6E98-4DAF-9F61-F112E327F897
11
ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany [no nandraisantsika ny lova.], rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'Izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E40EC6E5-C678-4A19-B9BC-608A3BA4E92C
12
mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09C11063-7F0A-40FD-8D30-8AEC22FAD869
13
Ao aminy koa hianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, - eny, ao aminy koa hianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCC6B2E1-3518-426C-B7CD-031BB2233979
14
Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBE992AF-5C13-45B6-8ECA-759AE47B414B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany