Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A1F26C8-A31D-4F9C-9945-24D33F143D0C
2
izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A9755B5-5EB4-40F3-8EBF-2D8BFE48EB2B
3
teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8CDC8B6-4887-4608-ACFF-99DA78FFF862
4
Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin'ny famindrampo, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3258704B-4EA1-4A4C-8B49-EB149C99684D
5
na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antiska niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAF2279C-BB9D-491D-90A0-DB31DECA0A42
6
ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1631D84-9788-4914-AAE1-73721E4C18FF
7
mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3B16827-75EC-4A6C-9C84-C31EAF7BB604
8
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E03B2D93-611D-4FA9-9A31-8E90973849DE
9
tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8385A691-2F36-45DE-9670-3498CCD63832
10
Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo, mba handehanantsika eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|143169E2-23B4-4932-8055-BD7D29DEA68F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany