Andininy
Protestanta Malagasy
8
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E03B2D93-611D-4FA9-9A31-8E90973849DE
9
tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8385A691-2F36-45DE-9670-3498CCD63832
10
Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo, mba handehanantsika eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|143169E2-23B4-4932-8055-BD7D29DEA68F
11
Koa tsarovy fa fahiny hianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tànana teo amin'ny nofo hoe 'tsy voafora', -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD019A51-429C-4AB2-BA8E-4925E7A23AEF
12
eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy hianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamamnitra teo amin'izao tontolo izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A390CEF6-36A1-4053-86E6-9A376487E0C9
13
fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy hianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17EF4112-0CDE-468D-AEDF-BEF1A0EA1F1D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany