Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin'ny Tompo [ao amin'], dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDBBF6FA-1BDE-4668-B73A-14832941B60C
2
amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57B50F5D-B662-407A-8259-416450F7FC4C
3
mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|464A7878-0410-4B61-9776-A1B5013A0324
4
Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EDEF809-A6B7-4B52-82EA-625009EB42E6
5
iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34C05917-B86B-4702-BC12-E4E0DDBBCA99
6
iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0E8A2B6-AB36-4BF9-9735-EE95C9BE0AF2
7
Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A7CDA66-5211-4D44-9319-C6FF0503247C
8
Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08C51AA6-C53C-4D29-82F1-1D8B5AAA8546
9
(Ary ny amin'ny hoe 'niakatra,' inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina [nidina aloha] ho any ambanin'ny tany koa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6596395-5232-43E2-B63B-78A31BC31874
10
Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFEF7DDF-C9CB-41E2-9AD6-4A07F805B873
11
Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64F7C806-E2DF-4063-89A1-72936430F835
12
ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1ECFEB3-6551-4131-8039-105332662CAF
13
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5125F8F6-9CF1-4F8A-BFC5-2BC634B51F24
14
mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimboleni'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE83EF03-B2A7-47C9-A141-104DD26ABBD6
15
fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin'Izay Loha, dia Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CD8C068-B17B-4C8B-AA57-364439D43CC3
16
Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoa'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37B41398-D287-4BE4-A526-508B28D05900
17
Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBA4F802-6838-4717-928C-5D5212A7E68D
18
fa efa tonga maizina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin'ny fony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4CE434B-8BA8-4AB0-9CFF-A88F6F7FD7F3
19
dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDA8AFEF-8570-4A6A-A21F-41A65C4DF6F3
20
Fa hianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0392C3FF-3DCA-4E52-B6B4-830A2ABC64E4
21
raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izao ao amin'i Jesosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB28DB38-E581-4381-BAD2-7CDAAFC8E046
22
mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE9BF5E3-3875-4562-B34F-C5559CB5B4EC
23
fa mba hohavaozina kosa hianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|901601C5-0422-4280-A519-7A540EFF12CE
24
ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20D48A8A-016C-4388-8C43-54C75C306664
25
Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy hianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6EE883A-99D5-4320-98C9-612291446186
26
Tezera, fa asa manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6CCD1A4-CA5C-4C8E-BE51-559769939444
27
Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C9F2C3F-46F7-4661-8897-BDEF41661D04
28
Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5600C36-E215-4733-9FE4-5A3921F653DA
29
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E62EE20-D74F-495D-A300-96FAC15A8187
30
Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|237C67A8-DC1C-4091-926B-57D2DB9E7F03
31
Esory aminareo ny fo-lentika [fangidiana] rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFE69C0D-DA76-4734-AA6E-F15349DC71D9
32
ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22AFC7CD-F0B3-471B-8CA7-32E753417A43
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany