Andininy
Protestanta Malagasy
25
Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy hianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6EE883A-99D5-4320-98C9-612291446186
26
Tezera, fa asa manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6CCD1A4-CA5C-4C8E-BE51-559769939444
27
Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C9F2C3F-46F7-4661-8897-BDEF41661D04
28
Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5600C36-E215-4733-9FE4-5A3921F653DA
29
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E62EE20-D74F-495D-A300-96FAC15A8187
30
Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|237C67A8-DC1C-4091-926B-57D2DB9E7F03
31
Esory aminareo ny fo-lentika [fangidiana] rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFE69C0D-DA76-4734-AA6E-F15349DC71D9
32
ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22AFC7CD-F0B3-471B-8CA7-32E753417A43
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany