Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C59D09A1-A540-49E4-96A1-E79E01003DF5
2
Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin'ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46971D55-8279-452D-ABA1-AA04B35DE8B2
3
sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny taniny rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B429B4B9-B47B-4FCE-B73D-1DF2C401676E
4
sy izay nataony tamin'ny miaramilan'ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin'ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan'i Jehovah mandraka andro-any,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DD463F6-74FC-4497-9BBC-B49465B2CDD1
5
ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26790A2F-A397-40A0-AFAC-4119F5F7518A
6
ary izay nataony tamin'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, zanak'i Robena, teo amin'ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan'ny tany sy nitelemany azy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan-aina izay nomba azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|347929E0-0402-471B-A5A6-38E9FD3531C2
7
fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C258B30F-EA78-4144-9074-B0B68AFF0571
8
Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery hianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5421139-FF01-4102-9856-65003DCE795E
9
ary, mba ho maro andro hianareo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D830C0D-42D3-4B61-BCA9-5C7A20A36D3E
10
Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman'ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen-anana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F09A38C-A799-4872-86AB-2B36BACE94AC
11
Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin'ny ranonoran-danitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30585E2F-3108-4B15-BEB5-3FAEFBCB92DD
12
dia tany izay tandreman'i Jehovah Andriamanitrao; ny mason'i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fiafarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E256FF2F-1AFC-4BE3-BDC8-989CECCDB2AE
13
Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio hianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34591673-8972-47C6-B693-31F336CD4CA4
14
dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranomboalobokao ary ny diloilonao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32310BE8-9E99-47ED-A286-A87A0E0B5857
15
ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina hianao ka ho voky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72326691-B63B-4FE1-B445-7DCD83F6125B
16
Kanefa mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24303CC9-411B-4D2A-AD8F-0F2F20D917CD
17
ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana hianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF9D5906-241F-476C-9559-FD6E94A893C5
18
Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tànanareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo;[Heb. eo ambonin'ny elanela-masonareo.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE6D77FA-2E72-4133-9E42-7A0661611A99
19
ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha an-dàlana, na mandry, na mifoha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1B4DDD4-B326-46AB-96C1-541024325178
20
ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|205942DA-6A6B-49B9-A808-91B85D3EBE67
21
mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DA952CF-285A-4A20-AB0B-63DF1836866E
22
Fa raha hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao izay andidiako anareo hianareo ka manaraka azy ary ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin'ny làlany rehetra sy hifikitra aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB2C1B66-A5F0-48B9-9DC0-C544F8C159CD
23
dia horoahin'i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary hianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA1F997E-EE81-4E77-9C9E-991FC990E4E2
24
Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladian'ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin'ny efitra sy Libanona ary hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35E0E651-0F8C-4BDD-ABA8-CFEF6931E1B0
25
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9C8F8D5-8441-4FC2-BC36-804A8C1579D7
26
Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB2A7E8E-3B87-4C8B-88FE-F1D056A99ECD
27
fitahiana, raha hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81D434A6-6EC0-47E2-9E9C-85C6DDE08C56
28
ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin'ny làlana izay andidiako anareo anio mba haleha hianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15F09A14-773B-4F82-9926-D4308173181A
29
Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka tafiditra any amin'ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizima, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD66D62C-54FB-4A5C-A62D-F563A890AC26
30
Tsy any an-dafin'i Jordana va izy roa, any ankoatry ny làlana andrefana, amin'ny tanin'ny Kananita, izay monina eo amin'ny tani-hay [Heb. Arabà.] tandrifin'i Gilgaly, eo anilan'ny hazo terebintan'i More?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|471E41E5-AFCA-4647-9601-51BDBA10D018
31
Fa hianareo efa handeha hita an'i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy hianareo ka honina eo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5FEB843-FB2A-4FE0-A3A6-A06272C8A83A
32
koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6431F564-4B7C-4576-B483-4A33AC62F6FC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany