Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mihainoa, ry Isiraely ô: hianao izao dia efa hita an'i Jordana hiditra eo amin'ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho hianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy mànda manakatra ny lanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F45B61AD-023C-43C6-8E16-05212C406630
2
dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan'ny taranak'i Anàka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B542B69-7872-44ED-A6E0-0BE5A79DE0FE
3
Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy hianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain'i Jehovah taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F59BC902-EF1F-4241-B70E-CA4BD716210C
4
Ary rehefa voaroak'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran'i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah azy eo anoloanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6EFE6C4-3F73-4642-9393-17909AAA0FF6
5
Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahato ny teny izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3AC3225-4415-4E8F-8F42-010BD1BE1BC9
6
Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD8979B7-1873-41ED-9A60-4DFB2007CF92
7
Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an'i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin'ny andro nialanao tany amin'ny tany Egypta ka hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity dia mbola niodina tamin'i Jehovah ihany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B3C1B1D-8C9C-4E9D-AC4F-964B1898FBDC
8
Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an'i Jehovah hianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E74696B-D810-44F4-99FD-C477FAF870A4
9
Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon'i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CAABB45-48EB-468F-9A26-FE6D6D08F5D6
10
dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron'Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny andro nivoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5812021-E5B8-46C8-85E6-B76D593DFAFF
11
Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBC08BD9-C774-467C-A60B-A59C7637BCF3
12
Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala ety hianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin'ny làlana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FED91AD8-8ACD-409F-B9C7-0B3FC4819A58
13
Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D337F99C-47DD-4432-A0D7-FC995D6B5EEA
14
Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin'ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17E48C85-2769-4F03-BA74-494C3554CE8B
15
Dia nihodina aho ka nidina niala tamin'ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tànako roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F1A7104-0719-4C17-968C-0AE43E3D6D75
16
Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily hianareo niala tamin'ny làlana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BFEBA52-85FA-465C-B68C-03D11D22BE08
17
Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tànako roa ho vakivaky teo imasonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1802551C-C0D2-414C-B55C-F993621F6480
18
Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07ABCED4-B3E2-42A2-A519-D19B111A01E7
19
Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran'i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18F1827F-F157-4120-9092-F39BF8DBF74D
20
Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin'i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an'i Arona koa aho tamin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8D34D3D-13B7-4576-B5C6-D44BDFCE0B1B
21
Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin'ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin'ny renirano izay midina avy amin'ny tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80D7D250-254C-4359-8526-9F0219E52AD5
22
Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ABADB7F-B017-4061-86F8-2525D8D609EA
23
Ary raha nampandehanin'i Jehovah niala tao Kadesi-barnea hianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D57125D8-D8BA-4784-8182-7D76EF40151A
24
Eny, niodina tamin'i Jehovah ihany hianareo hatramin'ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1790CF5-C0C1-427C-AFA1-5C602D3AAC31
25
Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efapolo alina izany, satria efa nolazain'i Jehovah fa handringana anareo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FFC9E70-B528-4DC1-BA51-B8A05D957187
26
Dia nifona tamin'i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin'ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tànanao mahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D174BBEC-8DE1-4E2C-B329-9E7EF505A47E
27
Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran'ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D42DF36F-017B-4E28-8998-59A24E91E3C9
28
fandrao izay monina amin'ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain'i Jehovah ny hitondra azy ho any amin'ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy aty an-efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D509413C-1261-4FE3-A667-03FEB6816288
29
Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC14A4BA-2840-4180-96E6-8AF9B46EC963
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany