Filipiana 1: 1-25

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina [episkopo] sy ny diakona izay any Filipy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED7777E-C519-48F8-8778-0870BF106B96
2
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|186EB9FB-4189-4F8C-B1EE-95E1558A2BA5
3
Misaotra an'Andriamanitra amin'ny fahatsiarovako anareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|130704A6-5239-40C5-8007-F32969A8D804
4
mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDEBEB6B-380C-495E-94C7-D16CBD61E280
5
noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86FBC0DA-799A-4BA6-A906-4447209977D2
6
ary matoko indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17AFF04A-1935-49B1-86C8-F1FE912D3576
7
fa marina izany, satria efa mba ato am-poko hianareo, fa mpiombona fahasoavana ananako hianareo rehetra na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C492A00-2A66-4419-8F51-B6BD8794A1EC
8
Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindrampin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|194CA851-8155-49DB-85E6-75763E9A6F8A
9
Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4313E98-CB1E-4021-8E81-8031071E3D75
10
mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra [samy hafa], mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|217BF7CC-8865-4179-A335-D2EB2FC5ECE0
11
sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|252A1C31-78E6-45F0-AACA-D06D2783B32D
12
Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28651D20-6313-4294-B0B2-DF45174B8383
13
ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin'ny olona hafa rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|126A0DF3-7AD4-4E0C-8EF9-5572F6AC4396
14
ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D634A027-7C86-4C5A-A590-8CF2A5D6543A
15
Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0A07B15-E5BB-4557-A9A3-FC3407E856AD
16
fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEE0C049-1C56-4F2C-988E-D4CE0EA19D8B
17
fifampiandaniana kosa ny itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1222DADC-24B2-4C70-A434-7F244EAC1820
18
Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsarambelatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2E039CA-5F4A-4442-A628-224BAE0A85D7
19
Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana [fanomezan'] ny Fanahin'i Jesosy Kristy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70D2D7A9-6618-4759-9A61-1FE589D3E795
20
araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D520DE7-84C2-433F-812A-8843C8E86933
21
Fa Kristy no anton'ny hahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|010E0EE3-47BC-4FD8-B89C-86C98BE53FAE
22
Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E8C73D2-A86C-492E-AC05-1D1297977914
23
fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|076939A3-7EF6-4739-9634-0691A3E80C02
24
kanefa kosa ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67E2024E-ED36-4208-86B7-FD2F7769B813
25
Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A0579BD-41D3-44EE-B2BD-F889ED0E1237
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany