Filipiana 1: 3-11

Andininy
Protestanta Malagasy
3
Misaotra an'Andriamanitra amin'ny fahatsiarovako anareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|130704A6-5239-40C5-8007-F32969A8D804
4
mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDEBEB6B-380C-495E-94C7-D16CBD61E280
5
noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86FBC0DA-799A-4BA6-A906-4447209977D2
6
ary matoko indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17AFF04A-1935-49B1-86C8-F1FE912D3576
7
fa marina izany, satria efa mba ato am-poko hianareo, fa mpiombona fahasoavana ananako hianareo rehetra na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C492A00-2A66-4419-8F51-B6BD8794A1EC
8
Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindrampin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|194CA851-8155-49DB-85E6-75763E9A6F8A
9
Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4313E98-CB1E-4021-8E81-8031071E3D75
10
mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra [samy hafa], mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|217BF7CC-8865-4179-A335-D2EB2FC5ECE0
11
sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|252A1C31-78E6-45F0-AACA-D06D2783B32D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany