Filipiana 4: 1-23

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satroboninahitro, tomoera tsara ao amin'ny Tompo hianareo, ry malalako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68D3B37B-CB9E-4EB4-A307-AD47E9099E80
2
Mananatra an'i Eodia aho, ary mananatra an'i Syntyke, mba hiray saina ao amin'ny Tommo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B46A4DF9-6FCC-47CA-9CF8-A8E8EBCC6649
3
Eny mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95C2EAA3-3DBD-452C-9289-7BD5603C0C7F
4
Mifalia [Veloma] mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E5FE3A7-4CF6-427A-8E8D-A3A52186F2CE
5
Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EB380BD-FA19-46EC-A0D5-A65A572C8AF4
6
Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FE22327-0B1D-4972-BD22-CC7385CF1B73
7
Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF1D46E8-1C6D-4848-B1B5-873E71862003
8
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02AE724A-B663-4FD2-876C-82B0E27E6277
9
Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22C838B3-1771-46C2-B12D-FCE630ABC2DF
10
Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1604BC7A-64E9-4516-BE12-7B14752C22F5
11
Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A57230CB-0556-4E0E-B594-80FB3FAB7B91
12
Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A70F001-E5D8-4B03-8C87-EC5A86D883DF
13
Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'Ilay mampahery ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A837800-EC59-4E0E-A092-DC8A271527B7
14
Kanefa nanao soa hianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC2A669E-F486-4267-897B-203E33C5FA7D
15
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy hianareo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC1063FE-A868-4FE4-8FB7-7800CBEF1C21
16
Fa fony tany Tesalonika aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa hianareo hamonjy ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A571D405-8F26-4B8B-AB11-C8A3E0198179
17
Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no ilazako izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30E27AED-4BDC-40F8-970D-13E4CA79AF38
18
Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady ankasitrahanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E72A437-0E39-40C7-949D-C530AF1C5ED8
19
Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFE6E16B-AC33-474E-AD74-D410C0DE6C49
20
Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F353ABA4-4BA7-4FBB-8FF6-3A03BCD67B65
21
Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E28A1549-3032-44F6-A0E9-A671DD5F7CC8
22
Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohon'i Kaisara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45AAA670-ACE0-44A6-B889-9560BF5124CB
23
Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E39F79CD-22FB-49A3-83C6-0586BDC04DFB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany