Kolosiana 1: 5-17

Andininy
Protestanta Malagasy
5
noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED76BEF-2922-4A7E-8D3A-AD3A4D08F839
6
izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B57819D9-A281-4C6F-A472-2744C3A91D88
7
tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay [anareo],
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C8B3DBE-45BE-44A5-A510-F02F32F7B7B8
8
sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37646A50-2FDA-4339-8865-294B205F5EED
9
Ary noho izany koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony hianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3AE43B7-A23C-40A9-8631-435AEAB98FF8
10
mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andrimanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9855F89E-DAE9-4D3E-B854-64F57B05DC12
11
ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C52729A-044E-43E3-8161-CD185A36DBB2
12
ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5954B8A1-C5A6-45B0-8D66-6B15D05228D7
13
sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C10652F6-FE3F-4423-9DD5-B615927DE88D
14
Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78B3ED86-D163-4F7E-A7BA-06B7749611F3
15
Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|057D0D24-DD66-4832-9A4B-05D4D049334B
16
fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [seza fiandrianana], na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46927227-640C-4CA6-97C6-6F23448A6EB3
17
ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C3F6D5F-A517-4A77-BF5F-57467C2B6A27
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany