Andininy
Protestanta Malagasy
12
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|153B3A1B-FA73-40A3-B3F7-38BE47E86712
13
Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo [Kristy] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4EC32EE-9930-4A9C-A8BE-33CF22659126
14
Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AA88927-3EBD-4467-8258-2F51B5ADA4EB
15
Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B9F92A4-6FE9-48C9-95B7-09D983250F38
16
Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86CB7C76-DA87-4001-AF72-D23794CDF8C0
17
Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7471ADE3-8D1E-4DDE-8187-6AFD5F7BCAE7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany