ITesaloniana 1: 1-10

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D5E56C9-4EDB-4E36-AE4B-012E268D912D
2
Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DA2CBD5-AB79-4D1E-8C94-6CF8916B5947
3
sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an'i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|683EC747-B6AE-4DF4-A885-F3D922AA08E4
4
fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6897D6E-427C-4B20-BB22-B51D5EAEB72C
5
fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondrantenanay teo aminareo noho ny aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BCFEED4-09DA-47E8-9DFD-560923D9C2A4
6
Ary hianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB81C97D-368D-4859-AD88-4322F46E3675
7
ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F18E709-9581-4EEF-8C2C-1EA7756129B3
8
Fa avy taminareo ny nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CECDF05-5D79-4322-8AFB-B9028EF03099
9
Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho aty aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C49A49C9-47B9-425A-9359-AAAD5B3689A4
10
ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C1CF56B-D29E-4CCF-B9F4-6622B60E9C44
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany