Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary farany ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin'i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BE3CF1F-3148-4D92-8EF6-9B0D749F186B
2
Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin'i Jesosy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5404A4DF-652E-47A0-A74B-B96C60E27123
3
Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DF8B2B4-3C9D-4FF6-A217-98F9B017BC2E
4
mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14B8C70E-97EE-42E5-AB97-65183CC0B928
5
tsy amin'ny filana fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39B6BF02-B5F9-4D25-B063-890CD6A175CF
6
mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin'izany [amin'ny raharaha]; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany,toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E84F3FF2-CBD5-4BCB-BC45-8923B99588C0
7
Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7062756F-54BB-4C1B-9AA2-74FC3EF334B4
8
Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EE86C84-6E1A-477A-9EB3-D3B1B0AE84DC
9
Fa ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E321280-DF78-425E-8861-6591F457B180
10
Fa manao izany ihany hianareo amin'ny rahalahy rehetra eran'i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B966BBEE-3010-4DF5-8157-23A2FC692742
11
ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin'ny tànanareo araka ny nandidianay anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60B619D2-884C-4F5B-AC8F-4DDCF3567CCB
12
mba handehananareo amin'izay fitondrantena mahamendrika amin'ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAD8922B-91D0-4FF8-B3A8-FCF9D808A0E8
13
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DC5FCF8-8DB1-4299-92C1-C80887089887
14
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy [tamin'ny alalan'i Jesosy] hiaraka aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0DB8987-09C5-4011-B02F-1C4A6AB99CA2
15
Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6D0E011-7D9D-43DF-9B54-7613A7D088C9
16
Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BF24279-98B9-4773-84FA-A681FA92C316
17
ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB32C87D-4286-4669-981E-7B2C8DB2CCF2
18
Koa dia mifampionona hianareo amin'izany teny izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1395B1E6-55F8-4F1A-B390-479B7785FBD8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany