Andininy
Protestanta Malagasy
13
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DC5FCF8-8DB1-4299-92C1-C80887089887
14
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy [tamin'ny alalan'i Jesosy] hiaraka aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0DB8987-09C5-4011-B02F-1C4A6AB99CA2
15
Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6D0E011-7D9D-43DF-9B54-7613A7D088C9
16
Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BF24279-98B9-4773-84FA-A681FA92C316
17
ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB32C87D-4286-4669-981E-7B2C8DB2CCF2
18
Koa dia mifampionona hianareo amin'izany teny izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1395B1E6-55F8-4F1A-B390-479B7785FBD8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany