Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary mangataka aminareo izahay ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B34B2319-DDDD-4CE5-8D03-78D1B6D476B9
2
mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina hianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B612E99-EB5F-4EAD-A7C1-99FA1A0C0145
3
Aza mety hofitahin'olona akory hianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91CC707C-DC51-4F4D-B93C-3F4A8C00B844
4
ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|351DE978-0C83-49CB-BAFC-C59A7CD08417
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany