ITimoty 6: 1-21

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aoka izay andevo rehetra eo ambanin'ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B8D1550-5FB3-43A6-A23C-90A34E7837C7
2
Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CF71663-1C1E-44EC-B864-B50DD65A759D
3
Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F95EF22D-57C6-4C2E-BF1D-43419B21EA2C
4
dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala [marary] amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|035D90A2-D5B3-418D-A7F5-3D1600C2FB06
5
fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1EE7ADC-2937-43A8-A398-F624E6055F1D
6
Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|267C36FC-3E05-46A5-B645-982FA894BF6F
7
Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa [satria] tsy hahatondra na inona na inona hiala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EC29A5A-22DC-400C-B59A-B24008600C5E
8
Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DE992CD-E963-42A7-8ECF-69C9EC053EE3
9
Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandetika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|823B825F-A79A-4E63-8FCD-33BDE39BAB32
10
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCB0CA37-0EB0-4543-A186-D248668BD839
11
Fa hianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3F36CC9-CDF9-4467-9F84-98B59F5B53E6
12
Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazony ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6C80671-CA3F-4681-9963-C2810EF4E770
13
Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A49AE0A-8FBE-4FDB-AF7E-614E9094E29A
14
mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9663C40E-F79C-49FC-B027-ED464BD08651
15
ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11270252-0467-413B-9A9F-CEDF53B16DE1
16
Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina Izay tsy hitan'ny olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CB39271-CEA6-47C5-925C-4C3811AD4C1E
17
Anaro ny mpanan-karena amin'izao fiainana izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova [fiovaovan'ny harena], fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9665005-00C4-4FC3-9E05-7DAECB19FBBF
18
mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto hanome sy miantra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|123A280F-85B1-4EEE-968F-71E3EC13E646
19
ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85D4E3B3-F408-4AE2-89C2-6074227E7952
20
Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialĂ  amin'ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin'izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55B544F2-5921-45D5-93D1-45F26534890B
21
izay neken'ny sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CF34CCA-22B9-4601-986B-014CE492ED97
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany