Andininy
Protestanta Malagasy
19
Koa amin'izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FA42AB5-93DC-4B0D-B0EC-C1B90CC126E2
20
amin'izay làlana natokany ho antsika, dia làlana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D56FD92B-522E-48E3-8DD8-F8CEB7FEF247
21
sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81E2690B-A9D0-46B2-91E5-AA32F944AF5C
22
dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokoana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|427EB343-6FB1-45C9-B61C-86561FC0519C
23
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76ADBC4F-DE01-49AC-8512-1AD06EC455CE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany