Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C22D4886-3A87-4F0D-9E38-0AC9D14DF0E2
2
Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7372B350-B8C2-4E4B-B696-87BA28840DAB
3
Finoana no ahafantarantsika fa tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94DA4043-AA7A-439A-A783-DE3CBBA6737D
4
Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|068C9C2F-FFFD-4492-A3AD-7C5E81BEBB9C
5
Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|111B234F-1618-40D6-9C27-12B1D526921A
6
Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE39DEB5-17BD-42AE-A356-3C0B6347FF8C
7
Finoana no nanamboaran'i Noa sambo-fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72E370B4-7087-425C-86A6-CAB1DE986BEE
8
Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|577F78B2-3D08-4E01-BA72-EF93648EDC38
9
Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47722C22-B870-472E-84E5-3C4310FE7F3A
10
fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFD57A85-DD67-40DD-8E14-19FC1A6C738F
11
Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan-anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC009B7E-2CF5-4DC8-AAE9-8327F53AB351
12
Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|037D1862-C1F8-4BC2-A387-1C4E742F372D
13
Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin'ny tany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95E0ABEF-B4CC-4F12-A566-31E3B0F911B4
14
Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|631A999B-762C-4787-8FB9-88D1A7E599FC
15
Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10247C84-AD94-482A-A15C-0AB0B7E3CE30
16
Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa namboatra tanàna ho an'ireo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3BA91F0-B37C-4C51-A5A1-33E82D8D8A00
17
Finoana no nanateran'i Abrahama an'Isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zanani-lahy tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|809773F2-918C-4A40-9F40-5DE9B0D15C3F
18
dia ilay nilazana hoe: Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|619F44D2-ECFB-483A-8AFE-2CEB3E4A2EE6
19
Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7497F8D4-3512-4066-8EF1-9075F3DB402C
20
Finoana no nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E530839-048D-4D10-9BE2-C381709509F9
21
Finoana no nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin'ny lohan'ny tehiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64D3587F-5E00-4E99-86AB-26C3C908DE9D
22
Finoana no nilazan'i Josefa ny fialan'ny Zanak'Isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin'ny taolany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|522B17C8-F012-4BCF-B0A4-F4A6B4853236
23
Finoana no nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06AE4479-CE1C-44EB-A2A4-F4AF451D6B2C
24
Finoana no nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe izy,-
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD015E65-C6EF-4E72-A966-F71B1F762F5A
25
nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FE33920-3F96-4A78-B4ED-B5D60E3339D8
26
nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zavatsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A82EC93-DBBB-4314-84BC-7BE1CC3DA5FB
27
Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA40D7D5-ABF9-4CCC-AE65-20985CDA99AB
28
Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny ra, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEA3F684-64CB-4DE5-ADC3-6CC46109573F
29
Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman'ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4768BC5E-C96F-4A0A-BAEF-97896FA2F751
30
Finoana no nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa nohodidinona hafitoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|905470BA-F5CF-45BC-A8AC-94B7F5CF4CFC
31
Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35FB1164-B095-4BF5-9B39-B35E5006140C
32
Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an'i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F856A39F-F573-4F97-AD61-5D2CD5DF7182
33
izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|631E013E-5082-49F7-87BC-64E0BE515D7B
34
namono ny fidedadedan'ny afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny mairamilan'ny firenena hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3E7005A-48CD-4B13-A472-28526ADDBFB7
35
Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijaliana ho faty, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FDA3562-EB8E-453E-84AC-395009E82149
36
ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|180ADF1B-EC1C-4054-B991-6ACCE9DD8135
37
notorahim-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy; efa lao, ory, fadiranovana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|708C5F44-C307-4191-9EED-243385D9820C
38
(nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho niroerany akory); dia nirenireny tany an-efitra sy tany an-tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-davatany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECB4815B-0B3D-420D-AC08-DDAADB16A207
39
Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|395A75FB-9A16-4302-9DC0-D90D7251BC7F
40
fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, maba tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo koa isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA95C8F7-5D90-430E-967F-DC3BD8BFAB54
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany