Andininy
Protestanta Malagasy
3
Finoana no ahafantarantsika fa tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94DA4043-AA7A-439A-A783-DE3CBBA6737D
4
Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|068C9C2F-FFFD-4492-A3AD-7C5E81BEBB9C
5
Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|111B234F-1618-40D6-9C27-12B1D526921A
6
Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE39DEB5-17BD-42AE-A356-3C0B6347FF8C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany