Andininy
Protestanta Malagasy
18
Fa hianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina sy ny tafio-drivotra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|722E9F89-3F45-45BA-9A70-16FAA02BFA0E
19
sy ny fanenon'ny trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37266F34-A3AA-4393-B3B6-5E91B0344338
20
fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany (Eks. 19. 12, 13),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E94E3E27-F5A3-4147-A76D-529172B6FDD1
21
ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho (Deo. 9. 19).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53353B41-6F0D-4D80-ADE3-9D18DD92BF43
22
Fa hianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|359B469E-9D71-4CAD-BE29-52DF79BB260E
23
amin'ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EF3951B-1C4C-4772-BB67-5A5823F3CF0D
24
sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny ra famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an'i Abela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6535C5A8-EA8C-42C7-82E8-538496D10EC3
25
Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany ilay nilaza ny tenin'Andrimanitra taminy tety ambonin'ny tany, mainka fa isika, raha mihodina miala amin'Ilay avy any an-danitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1925FD83-AEB4-4CE1-A690-DF0B8136100A
26
Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitrakoa (Hag. 2. 6).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8936D1FE-7805-4571-8167-8384AD922465
27
Ary ny hoe indray maka koa dia manambara ny hanaovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy ampihorohoroina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEE2FB40-1872-40EF-A2C7-92E6C1CB860A
28
Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entitsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08D9C290-53E0-493B-A718-31A9BEB8F723
29
fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4. 24).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B94AAE15-F899-4C4F-9AE7-C53DCBDEAD23
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany