Hebreo 13: 1-25

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|509B8E5A-3B7C-4465-AEDF-BE14B393515F
2
Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0E6FDDB-6599-43B3-85ED-6AFFFE4AFD13
3
Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy hianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin'ny tena koa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D3D056A-CBA8-4FF6-9589-8F937C1CB6A8
4
Aoka hanan-kaja amin'ny olona ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana: fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B71E5C3-1908-42C8-9556-A8114544E240
5
Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory (Jos. 1. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CD9A4C8-7316-4E71-BBD9-0A0E1389BD09
6
Ka dia sahy manao hoe isika: Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?(Sal. 118. 6)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4300E9D4-9BE6-4DBB-9D51-4238B2EA616E
7
Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1CB115B-7EE3-490F-A252-9C96B85091AA
8
Jesosy Krisy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD5D1FFF-5A2D-4741-975D-400400752F30
9
Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa hianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FDA6E2B-3AF0-490A-A007-5C5A5E69DB42
10
Isika manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AFE2264-8B1E-490E-BE19-3D2CCD0DD170
11
Fa rehefa nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7ECA062-C962-4A18-B64F-B101BDEB4293
12
Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny rany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDAFC3D8-509B-4793-BE21-BAF86671E675
13
Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|170B363E-20D6-4580-8294-CCDE5771BE09
14
Fa ety isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8956CED-7960-4A2B-BA85-137B768EA659
15
Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|303EFC38-DFEC-42B7-99E9-103E8D49356F
16
Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D98CC9F1-3C99-4732-A82B-1CA095A64C30
17
Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, fa tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B68FC36-3FE4-4FE5-9FBA-B60355C3BF9E
18
Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin'ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0379F34-BF09-48E5-8D64-42AD63239C7E
19
Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingapaingana kokoa ho aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A173719-EA89-4DEB-A3A4-6E08C1229880
20
Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6B36DB6-0329-4E2D-A009-E860B189BED9
21
Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29AB1696-BD51-4949-B407-0C6F5FAAE3EF
22
Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E9A3428-8A70-4A09-BE29-98DA5F033092
23
Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB213159-9153-4008-BC5F-AADD4DE7D272
24
Manaova veloma amin'izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay an'Italia dia manao veloma anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE83EB0C-7A69-453D-983D-DA094E427759
25
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A899D3FB-1A2D-4BEF-B96D-0D8D3267EBA3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany