Andininy
Protestanta Malagasy
7
Koa araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B78EE1A-12EC-4AE1-93ED-02EB4DB84174
8
Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy tany an-efitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14E45704-95EE-4D58-9060-4E7D98CEFCEF
9
Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy tamin'ny nizahany toetra Ahy, ary nahita ny asako efa-polo taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CA71466-8A98-4F0E-AA8E-BD34BD61B8B3
10
Koa tezitra tamin'izany taranaka izany Aho ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony mandrakariva ka tsy nahalala ny làlako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9FC7B7A-FB92-40D7-B0E1-413E41391193
11
Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 7-11).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4DCC1ED-BCD6-46E0-ABEA-03D8D3E0B7FA
12
Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB133683-FCA9-43F6-8D8B-0BA923CD5A7E
13
fa mifananara isan-andro, raha mbola atao hoe Anio; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA6596B0-E95E-460B-9286-4FED697B4147
14
Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C93CF3A-D64D-4B4B-984F-97BA95E619C0
15
raha atao hoe: Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana (Sal. 95. 7, 8).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95A30621-7FBC-4632-A06B-1F363A5A5E2B
16
Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany Egypta va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4706D142-62B2-49F7-8F37-344690ECA2D0
17
Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C881BC78-F4BC-46D2-B270-B591B1C02A8D
18
Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|765195A0-39CF-4E3F-9105-F5E210911CF9
19
Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C17503E2-0D85-486D-9555-B5072B86CBB9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany