Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAA025E5-1FD6-405B-9B96-739357E72B77
2
Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8DB7501-10B6-49D7-95B3-533459DE8979
3
Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E92ABE89-CCD2-427D-B34D-CD75F821E016
4
Koa raha ety ambonin'ny tany, dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45AB3028-944B-4C2E-99C1-3265843D19A2
5
dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra (Eks. 25. 40).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE878511-899A-460B-A972-9829079ED24B
6
Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|368EF373-0FA7-4C9D-9FBF-60A8E0A95FED
7
Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1DFBBC8-070F-4D40-9034-2F992CDCB281
8
Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E4CAD59-5404-493B-B4FF-08A1D9A89B5D
9
Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E66AAF29-8B2A-4C23-B0AB-489B9217238E
10
Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|060BC703-0ADC-4249-8E75-A85B29C01336
11
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, na hanao hoe: Mahalalà an'I Jehovah; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D204C9C-D92F-47AF-A0B3-47D5D37A94BF
12
Amin'ny anaovany hoe 'vaovao' dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihahantitra dia efa madiva ho levona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|136CF47C-711D-46F1-9D39-CDBE1C445E66
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany