Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin'ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masina momba ny ety an-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BD3617B-F5B7-4204-BB64-BF061D99A05F
2
Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe 'ny fitoerana masina,' izay nisy ny mofo aseho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6F06441-7145-4C96-AC88-BFF7B5B56A70
3
Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe 'ny fitoerana masina indrindra,'
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8C61CBD-4434-4589-B2CF-5F67C1AE7974
4
izay nisy lobia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B1C4157-3244-4B33-BEAA-F72F51C180AB
5
ary teo ambonin'io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana, -tsy atonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|367ECA44-571C-4414-8E91-BB66D982825D
6
Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva ao amin'ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|621D6846-F617-4D0F-BF49-3FD14FD357DE
7
Fa ny faharoa kosa no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra ra, izay ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny fahadisoana nataon'ny olona amin'ny tsi-fahalalana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A2887F6-F393-407F-845F-134A34B6E4A6
8
koa izany no anambaran'ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny làlana mankany amin'ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2266FBE-4B36-494D-9A7A-EB3AE8494CAA
9
fanoharana izany amin'izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin'ny fieritreretana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|420CB033-984B-4B79-91FE-63D18D45F6C4
10
(fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendry hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01147F02-293F-40EE-AA07-66FFB705F4A2
11
Fa Krisy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tebernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tànana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|198F3836-1F0B-4B43-A148-BE2B8C3D10B3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany