Andininy
Protestanta Malagasy
23
Koa dia tsy maintsy diovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C32F1C0A-858B-45DD-B983-38A0621F635C
24
Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60F1D32C-1BB0-44F6-B323-ADBA5ADE60D2
25
ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B4AFF11-EF96-446B-87F2-0081EA9B341E
26
fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F570A3B8-7397-48F0-B11C-66B30547D535
27
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD12FFFC-26BF-4ABD-9FED-776E98101CFD
28
dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F4461CA-F6DE-45C6-89E6-23166513ED10
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany