Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9A85F2B-5A73-459F-B025-337E42066ED9
2
Fa raha misy olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny ratsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12981D04-EBD4-433E-818C-4ADCD592F343
3
koa mijery ilay miakanjo tsara hianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha hianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa hianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|869AE32C-97E9-4D36-8158-9BAA790E0A41
4
moa tsy miangatra va hianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45D66247-A345-457A-8A77-51DA64BD3FC8
5
Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanan-karena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE46881A-CA9F-4CEE-81D0-79A458DCC7EF
6
Fa hianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanan-karena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2A26254-4AEE-4B98-8943-7135E39A539E
7
Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21841F11-ED34-4E08-A43F-DD219297CD7A
8
Kanefa raha mankato ilay didy ambony indrindra hianareo, araka ny Soratra Masina hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18), dia manao tsara hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0B509AC-EC51-4049-AB72-1F5DDC0F821B
9
Fa raha mizaha tavan'olona kosa hianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79F04D4E-C1C2-41CA-843F-14D097123F29
10
Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1E38065-892D-4D27-859B-ECAF74438EB2
11
Fa Ilay nanao hoe: Aza mijangajanga no nanao hoe koa: Aza mamono olona (Eks. 20. 13, 14). Fa raha tàhiny tsy mijangajanga hianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B528C0CA-3883-412B-A0D3-58A56798C5EA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany