IPetera 1: 1-25

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny moninaany am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|136BE6D7-217E-4507-868D-877E7EDA1E8F
2
araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitoboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3C72A08-17FB-42D6-845F-E81C1CDB179D
3
Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindrampony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|804729CC-91B1-4DA0-A7CF-E71156843ADD
4
ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|351D24BD-F905-4B72-8B72-6B0852240DA5
5
izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|577C563A-D461-414A-AC11-91ED61395CBB
6
Izany no iravoravoanarao, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AB54B3B-5CD7-42D5-A926-C82DB408C680
7
mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B442F86-BE68-4DB9-BAC5-116E1E21A39F
8
Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96EB873F-6885-418F-8A63-B190605AC8C8
9
mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5298EE85-5A38-45AC-9CB0-3BC449F07D56
10
Ny amin'izany famonjena izany dia notadiavin'ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0673462-CCA2-4A83-96C7-2277B502DFDA
11
eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin'ny Fanahin'i Kristy tao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1003DCAD-438A-443C-BC87-C04EB64D060E
12
Ary naseho tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny filazantsara taminareo tamin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4881F4CD-5F3F-4ED3-9923-AB73B506AED8
13
Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4CFB54F-FCCA-49A7-8961-74CD8B591ED1
14
tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DF8BA16-A954-4BC4-A923-0BE43B27183D
15
fa araka ny fahamasinan'Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin'ny fitondrantena rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|393A9C5F-6C5C-4DF0-8E3C-99A39163A4F1
16
satria voasoratra hoe: Ho masina hianareo, satria masina Aho (lev. 11. 44).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D9EE609-6403-4CE7-8745-EA6409B5C676
17
Ary raha ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo ety;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7662FAC8-13BC-4066-89B9-0F3077074B59
18
fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|083E5478-3F85-4324-9F5E-0BF8826AC868
19
fa ny ra soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5121F2FE-8304-4819-A99B-05C4D0FBFEB3
20
Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A79AFCC-049D-41FA-8C95-F8E4D6C07755
21
Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy, mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7973C5F1-C6DD-46EF-ABCA-F4D89483F6B0
22
Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin'ny fo [amin'ny fo madio];
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2DCDDEE-FDCC-492B-B7BF-AF4FA0CEC0A5
23
fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lo, fa tamin'ny tsy mety ho, fa tamin'ny tsy mety ho lo, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60B7B0B7-E617-469E-A3EC-CCC7BD479710
24
Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Azy izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A717CFC-C4F4-470D-8101-692289C0758C
25
Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40. 6-8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7938D0B0-7FA1-4E2F-AE93-66C763A298E6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany