IIPetera 1: 1-21

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CC679A4-6D11-4A7B-A07B-618C495952E2
2
hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|401C9439-9619-4674-98B7-C1458DA48EAC
3
Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5176AA7-BF93-4FA7-835C-4D1041E663D8
4
ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|317ADF77-27CB-45CB-BA55-F18526881CA1
5
koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FB9DBE7-3734-4541-AD65-2DA0BEB10854
6
ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B72A1D77-6EE2-4FB9-8053-089DEB2C3F67
7
ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFB78B14-E606-4943-893B-AB42AD5B5FC5
8
Fa raha ananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|801F23C0-7324-466B-9CA7-EC346F7C667B
9
Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino no nanadiovana azy tamin'ny fahotany fahiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6147CC91-0A12-4FBC-9B72-C5C7E82ABF21
10
Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79E8438D-2CF8-441E-A88F-CAD36309E5B2
11
fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E6F5335-3CB4-4EAC-B15D-F5AD54B06307
12
Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, fa efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75702F81-0730-4FFF-9D2D-7538D2C05DA9
13
Fa raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho, dia ataoky fa mety ny mampifoha anareo amin'ny fampahatsiarovana anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEAC12A6-99D7-4C49-BAB2-39CBCF69AF17
14
satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|616AD99E-0E1D-48C8-B180-50CF46F23E89
15
Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|133333BF-CE17-4F97-9CD6-C9178FD92371
16
Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F200B6B-041D-4857-B2C3-E9FF2C8B6343
17
Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: Ity ny Zanako malalako Izay sitrako (Mat. 17. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55624D3B-B336-4B1B-9679-494B441E4A76
18
Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7709973D-62A6-4736-80EF-889BD00B5B85
19
Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany hanareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny toerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76C426B3-BA92-423B-B08D-D42F0EE7F9BA
20
fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39C1A68C-63F9-4132-A79D-DDC9C8989568
21
fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D64780E-AB87-4845-90C2-5446B83B3F11
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany