Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handa ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho an'ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|380E4E8D-21FF-48E7-8719-8B226701D3FC
2
Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny làlan'ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A39C8565-B6E1-4182-9030-1D57F09C2664
3
Ary amin'ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA3D4AF8-5F25-4E59-B0CB-5B85B7F13399
4
Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E0BF4A9-9922-4F55-A981-B4FFF3B06101
5
ary raha tsy tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safodrano tamin'ny ratsy fanahy eto amin'izao tontolo izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EC0888E-5E35-4295-BF04-1EC9AC78DA05
6
ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB4108D1-BA18-4FC6-AD9A-42C1B5E53164
7
fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka (
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5942047B-9F28-4E8F-B0B8-703EAB57990D
8
fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan-andro isan-andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny lalàna):
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|054E2AC2-E37E-4BB5-85A5-08F9773C383B
9
dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0178BF7-270B-4FD8-85E4-19F6173E741D
10
indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan'ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo dia olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3C22376-780F-4946-BBF1-79AD6BBF800C
11
Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin'ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|476B60C5-EEB0-41AD-9DAA-C1E005F0D3CC
12
Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan-aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46BB62FB-81AE-4DDC-AFF6-F65BFC7CCD58
13
ary hiharan'ny ratsy ho valin'ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin'ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany, raha miaha-mihinana aminareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAC391D1-6F53-4593-8F00-74FB26B1D705
14
manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampahazatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36EC5B2D-F961-48DA-BF2F-237568D7C395
15
efa niala tamin'ny làlana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny làlan'i Balama, zanak'i Beora, izay tia ny tambin'ny tsi-fahamarinana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|864F4681-0DF9-40BD-8339-36813569CCFD
16
nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana dia nanao feon'olona ka nisakana ny hadalan'ilay mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFF21F0F-8C71-4CFD-ADD2-4CC0B0123689
17
Ireo dia loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan'ny maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FF4EB3F-8E38-4A32-AF19-27A1A96A399F
18
Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13E5BC11-6A25-410E-9543-907094BCE077
19
fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; fa izay maharesy ny olona dia mahandevo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02C31388-6F0B-4B95-A035-511444AC833A
20
Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39DBD020-F566-44EA-B50C-30016D10E514
21
Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79E8DD09-34C6-45B8-BD57-5D9654DB112D
22
Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: Ny amboa miverina indray amin'ny loany (Oha. 26. 11), ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|132C3A75-29DB-40CA-93CA-ECCE1CC58E48
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany